top of page

Toro-hevitra ara-pahasalamana hahasoa anao. Manasa anao hamaky ary hapihatra izay tandrify anao!

Mirary fahasalamana tanteraka ho anao!

Toro-hevitra ara-pahasalamana amin'ny teny Malagasy

1 - RANO TENA TSARA

 

Misotro alikaola sy zava-pisotro nohamamiana be noho ny rano tsotra ny olona amin'izao fotoana izao !
Tahaka ny miezaka ny hanasa ny lovia amin'ny rano iray kaopy monja ny manery ny vataña hiasa miaraka amin'ny fatran-drano voafetra. Raha tsy misotro rano ampy araka izay ¡laina ¡anao dia loto amin'ny endriny marihitra kokoa no tsy maintsy havoakan'ny vatana ka mahatonga azy hamoaka fofon-kantsembohana ratsy, fofon'aina ratsy ary fivalanan-drano ratsy fofona ihany koa.
Tsy misotro rano betsaka ihany ve ny ankamaroan'ny olona?
Mahagaga àry fa irony zava-pisotro nohamamiana sy misy alikaoka irony indray no tena fisotron'ny ankamaroan'ny olona mihoatra noho ny rano ! Ny akaikikaikin'izay dia kafe sy ronono.
Mariho izay hitranga amin'ny fotoana manaraka hidiranao any amin'ny trano fisakafoana lehibe iray. Handroso rano nampangatsiahana ao anaty vera lehihe eo anoloanao ny mpiasa mpandroso sakafo araka ny mahazatra. Ary avy eo izy tsy maintsy hanontany indray hoe : « Inona no hosotroinao ? »
Tsara avokoa ve rehefa mety ho zava-pisotro ? Misy rano avokoa ao anatin'izy ireny, sa tsy izany ?
Ampiasain'ny vatana avokoa ny rano amin'ny endriny rehetra saingy miteraka olana manokana ny zava-pisotro sasany. Maro amin'izy ireny no mitondra kalôria betsaka izay tsy maintsy levonina tahaka ny ventin-kanina indray. Mamokatra tavin-javalra fanampiny indray ireo kalôria ireo ; mampitombo ny siramamy ao amin'ny ra ary mampiadana ny fandevonan-kanina. Ny rano fotsiny kosa indray anefa dia midina avy hatrany any amin'ny vavony na misy sakafo ao na tsia. Tsy mila mandalo ambaratongany izy na fandevonana, ary tsy manimba na manakorontana ny fiasan'ny vatana.
Mila rano fanampiny ny siramamy ao anatin'ny zava-pisotro mba hiditra an-tsehatra eo amin'ny zava-mitranga eo amin'ny sela. Mampitombo ny famoronana asidra ao amin'ny vavony ny zava-pisotro sasany. Ny zava-pisotro misy «cola» dia misy fôsfôro izay akora simika manampy amin'ny fampihenana ny fatran'ny sokay ao amin'ny vatana ka mitarika ho amin'ny fahatapahan'ny taolana.
Mamaha ny ankamaroan'ny olana ve ny zava-pisotro manokana amin'ny alalan'ny fampihenany ny siramamy ?
Tena mamaha ny olana momba ny kalôria tokoa ireo zava-pisotro voatokana ho amin'izany. Ny kafe tsotra amin'izao ary ny dite mazava, saingy miteraka olana hafa indray. Manimba ny sosona ao amin'ny vavony ny akora simika ao anatin'ireo zava-pisotro ireo - ao anatin'izany ny hanitra, ny fitehirizana ary ny loko ao anatiny. Miasa mafy noho izany ny aty sy ny voa manala ireo poizina ireo. Mila rano fanampiny indray izany ambaratongan'asa izany.
Ny rano no manala ireo olana ireo. Tsy misy kalôria fanampiny intsony hampilanto ny fandevonan-kanina na koa hanampy tavin-javatra tsy ilaina. Tsy misy singan-javatra mpanimba intsony izay hanaporitra ireo hozam-pandevonan-kanina, na akora simika tsy ilaina hamotika ny fìasan'ny taova saro-pady.
Fatran-drano manao ahoana ary no tokony hosotroin'ny olona iray ?
Ampy hanome loko mazava ny fivalanan-drano.
Manary rano folo ka hatramin'ny 12 kaopy isan'andro eo ho eo ny vatana amin'ny alalan'ny hoditra, avokavoka, fivalanan-drano ary ny fivalanana. Roa ka hatramin'ny efatra kaopy monja no rano avy amin'ny ventin-tsakafo. Midika izany fa mila misotro rano inenina ka hatramin'ny imbalon'ny vera eo ho eo isika isan'andro hanonerana ny rano very.
Mizara misotro rano matetika. Misotroa rano raha vao miifoha, eny antenantenan'ny maraina, amin'ny tolakandro ary amin'ny takariva. Tahaka ny fampandroana ny ao anaty rehetra ao ny fisotroan-drano - manakobana ny vavony izany, ary manomana azy ho amin'ny asany. Atombohy amin’izany avy hatrany ny andronao. Somary  asio hanitra amin'ny alalan'ny ranom-boasarimakirana kely ny rano sotroinao vao maraina. Misotroa rano amin’ireo fotoam-pakan-drivotra amin'ny maraina sy ny tolakandro : araka izay mahafa-po ny vatanao. Amin'ny hariva, misotroa rano amin'ireo fotoana sasany mampilondolondo ny masonao, ary amin'ireo fotoana sasany mahavoan'ny fakam-panahy anao hihinan-kanina anelanelam-potoana.
Ny rano madio no tena ilain'ny vatana handavorariana ireo fiovan-javatra simika mandritra ny fahavelomany. Izy no zava-pisotro lavorary indrindra sady anisan'ireo fitahiana lehibe indrindra ho an'ny olona iray. Izy no zava-pisotro nomen' Andriamanitra hahafaka hetaheta ny biby sy ny olona.
Raha misy manontany anao amin'ny manaraka hoe: «Inona no hosotroinao ?» dia valio toy izao: «Rano iray vera no omeo ahy azafady. Izany mantsy no tena tsara».

bottom of page