top of page

Toro-hevitra ara-pahasalamana hahasoa anao. Manasa anao hamaky ary hapihatra izay tandrify anao!

Mirary fahasalamana tanteraka ho anao!

Toro-hevitra ara-pahasalamana amin'ny teny Malagasy

FOMBA TSOTRA DIMY HIHAZONANA NY LANJA ARA-DALANA

1.      Ataovy asa manokana ny fihinanan-kanina.

a.     Aza manao zavatra hafa rehefa mihinan-kanina - mialà amin'ny fahazarana sady mihinana no mamaky teny na sady mihinana no mijery fahitalavitra na manao karatra.

b.     Aza manandrana ny sakafo andrahoinao - miezaha mitsako siligaoma tsy misy siramamy, misotro tsikelikely ranom-boankazo voatokana na manampina ny vavanao (amin'ny masque) rehefa manao sakafo.

d. Misakafoa mandrakariva amin'ny toerana iray mahazatra

 

2.     Manana fomba vaovao eo amin'ny lafiny fanamboaran-tsakafo

a  Ahenao ny fihinanana sakafo misy kalôria miafina.

b. Mitadiava fomba maro hanamboarana sakafo tsy dia be kalôria.

d. Foano ny alikaola izay manampy kalôria hafa indray.

 

3.     Aza mirotoroto

a Makà antsasak'adiny hankafizana ny sakafonao - makà fotoana hakana tsirony, hitsakoana ary hakana fahaflnaretana amin'ny sakafo haninao.

b.   Ahohofy ny sotro rovitra isaky ny mampiditra sakafo any am-bava. ( Izany hoe : atao manondro midina ny loha maranitry ny sotro rovitra fa tsy manondro miakatra).

d.     sarai sandio araka izay itiavanao azy ny sakafonao.

e.      Ny sakafo tsy dia be kalôria aloha hanina voalohany.

 

4.     Manaova drafitra mialoha

a Alamino sy amboary tsara ny sakafonao amin'ny maraina sy ny antoandro ary ny hariva. «Ny sakafo misy ny hery rehetra intelo isan'andro no tena tsara».

b. Ataovy misy ody ambava fo tsy dia be kalôria voaomana foana ao mba tsy hahatsapanao ho mihafy tanteraka.

 

d.     Any an-dakozia ihany no asio ny sakafo izay hikarakarana sy hanomanana azy mialohan'ny hihinanana.

e.      Mikarakarà sakafo amin'ny fotoana tena hahafehezana tena indrindra.

f.      Halaviro ny toerana flkarakarana, fividianana, fivarotana misy sakafo.

g.     Fanaovan-javatra tsy misy idiran'ny sakafo no tena ataovy mahaliana.

 

5. Lanjalanjao ny isa sy ny haben'ny anjara haninao

a.     Refeso ny sakafonao mandra-pahazatra ny masonao hanao izany.

b.     Miezaha tsy hihinana sakafo tsy voalanjalanja akory ny fatrany - toy ny endin'ovy iray harona.

d.     Lovia kely ampiasaina - ny fahitanao fa nihinana sakafo iray lovia ianao dia anisan'ny mahavoky anao.

e.      Izay sakafo tena sahaza ihany handrahoina - nahoana no mbola mahandro ho an'olona dimy ihany nefa tsy misy afa-tsy roa.

f.      Aza avela eo amin'ny latabatra ny lovia be fitondrana ny sakafo - ho voan'ny fakam-panahy hanampy hatrany ianao.

g.     Asio ambiny mandrakariva eo an-dovianao rehefa vita ny sakafonao -mitsahara tsy mihinana intsony rehefa voky, fa tsy hoe rehefa tsy misy na ¡nona na ¡nona intsony ao an-dovianao izay vao mitsahatra.

h.     Ario ireo ambin-kanina tsy tianao hotehirizina - Lazao hoe: «Misafidy ny tsy hihinana mihoatra ny tokony ho izy aho».

​
Dr. Alan Yong

 

​

bottom of page