top of page

Toro-hevitra ara-pahasalamana hahasoa anao. Manasa anao hamaky ary hapihatra izay tandrify anao!

Mirary fahasalamana tanteraka ho anao!

Toro-hevitra ara-pahasalamana amin'ny teny Malagasy

NY SIRA BE LOATRA

Sira in-20 avo henin'ny tokony ho ampy azy no hanin'ny Amerikanina. Manjo azy ireo araka izany ny tosi-dra avo, ny aretim-po ary ireo olana hafa mifandray amin'ny fihazonan'ny vatana ny rano.

Ahoana no ampisondrotan'ny sira ny tosi-dra ?

Misy mineraly 2 ao anatin'ny sira : ny «sodium» sy ny «chloride» izany. Ny «sodium» no tena lehibe amin'izany - misy «sodium» avokoa ny sela tsirairay tahaka ny rano rehetra ao amin'ny vatana. Tsy velona isika raha tsy misy azy.

Tena ilain'ny vatana tokoa ny «sodium» saingy miteraka olana koa raha be loatra. Mihazona ny rano any anatin'ny nofo any ny «sodium» be loatra. lo no miteraka ny fivontosana eo amin'ny tena izay mampiakatra ny tosi-dra ary ity farany ity indray no mampitombo ny «stress» eo amin'ny fo. Amerikanina 50 taona no ho miakatra 1 amin'ny 3 no manana tosi-dra avo.

 

Misy olona fantatro anefa mampiasa sira betsaka dia betsaka kanefa ara-dalana tsara ny tosi-drany.

Tsy ny olona rehetra no sarotiny amin'ny sira. Afaka mihinana izay rehetra tiany hohanina ny olona sasany, nefa tsy misy aretina manjo azy. Misy tsy fahazakana sira ihany anefa eo amin'ny antsasak'ireo Amerikanina tavaratra ary tsy misy fanandramana mahafa-po hahafantarana raha ao anatin'izany ianao na tsia.

Araka ny vinavina azo antoka indrindra nataonay anefa dia Amerikanina tavaratra eo amin'ny 30 tapitrisa eo ho eo, izay ambonimbony tosi-dra ihany no afaka manao ho ara-dalàna izany tosi-dra izany amin'ny alalan'ny fampihenany ny sira haniny ho iray sotro kely isan'andro.

Ahoana ny amin'ny pilina fampivalanan-drano ?

Manary rano tsy ilaina sy mampidina ny tosi-dra amim-pahombiazana tokoa izany pilina izany. Asehon'ny fikarohana vao haingana anefa fa mety handray anjara eo amin'ny aretim-po tokoa ny pilina fampivalanan-drano. Asondrony ho dimy ka hatramin'ny 10 isan-jatony ny tahan'ny «cholestérol». Rehefa ela ny ela dia mety hanimba ny voa, hampirongatra ny gotra, ary hanafaingana ny diabeta izany.

Soa ihany anefa fa 85 isan-jaton'ireo olona avo tosi-dra no ho mihoatra no tsy mampiasa izany fa mampihena kosa ny sira hohaniny sy ireo tavin-javatra izay mampihena ny lanjany, ary ampiany ny dia an-tongotra fanaony isan'andro koa (resaho amin'ny mpitsabo anao aloha izany mialohan'ny hanandramanao azy - mety ho anisan'¡reo 15 isan-jato ianao !)

Fatran-tsira manao ahoana no tokony hohanina ?

Eo amin'ny antsasaky ny iray grama eo ho eo no sira ilain'ny olona isan'andro - 1/10 -n'ny sotrokely eo ho eo. Misy ao anatin'ny sakafo voa-janahary ny «sodium» - mihoatra amin'izay tena ilaina isan'andro. Tena tsy mila manampy sira mihitsy isika !

Enta-mavesatra kokoa ho an'ny ankamaroan'ny olona anefa izany ka tsy miraharaha izy. Mihoatra ny sira 1 sotrokely isan'andro (5 grama) no heveriny fa mety aminy.

Inona avy ireo sakafo sasany be «sodium» ka tokony hialana ?

Mety hanaitra anao ny sasany amin'izy ireo. Be «sodium» kokoa noho ny endin'ovy ohatra ny «pudding au chocolat» !

Amin'ny kapobeny anefa dia tokony hialanao ny «carbonate de soude», ny «levure chimique», ny MSG (Glutamate monosodium), ody am-bavafo misy sira, sakafo efa voahodina, ny ankamaroan'ny hena sy ny vokatra avy amin'ny ronono ary ireo voan-javatra efa voamboatra.

lalao ny legioma am-bifotsy. Feno «sodium» tahaka izay hita ao anatin'ny pitipoa 2.49 kg ny pitipoa am-bifotsy iray sotro fihinanana !

Ahoana ny amin'ny sasany amintsika izay tsy mahavita mitelina sakafo tsy misy sira ?

Tsy avy any an-kibon-dreny tsy akory ny fitiavan-tsira betsaka kokoa. Fahazarana vao azo izany ary vao mainka mampiredareda ny fitadiavana azy ny fihinanana azy amin'ny fatra betsaka kokoa. Ialao izany fahazarana izany amin'ny alalan'ny fampiasana ireo ahitra na zava-manitra mampatsiro ny sakafo. Andramo ao anatin'ny telo herinandro izany. Aorian'izany, na ny sakafo misy sira efa antonony aza dia hanomboka ho tsapanao fa mangidy sira. Ho an'ireo tsy tafala mihitsy dia mampiasà solon-tsira.

Ireto misy toro hevitra sasany hanampy anao hampihena ny sira ao amin'ny sakafonao :

  • Sakafo mbola amin'ny endriny voa-janahary sy vaovao vao notazana no hano betsaka, ao anatiny ny legioma sy ny voankazo. Tsy mila asiana sira fanampiny izy ireo. Mampitombo ireo «potassium» fiandry ao amin'ny vatana koa ireo izay manampy amin'ny fampihenana ny tosi-dra.

b. Ody am-bava fo tsy misy sira no tadiavo (raha mila izany ianao).

d. Somary andrahoy mantamanta ny legioma ary hano amin'izy mafimafy iny fa tsy dia mila sira betsaka izany.

e. Mianara manisy hanitra ny sakafo amin'ny ranom-boasary makirana, persily, «estragon», tongolobe sy tongolo gasy, ho solon'ny sira.

f. Manàna irony boky mikasika ny fandrahoan-tsakafo tsy misy sira nefa tsara dia tsara irony, izay efa feno eny an-tsena amin'izao andro izao.

Sira 6.795 kg isan-taona ny sira lanin'ny Amerikanina amin'ny kapobeny. Ho dingana lehibe mankamin'ny fahasalamana tsara kokoa ny fampihenana izany ho 1,812 kg.

​
Dr. Alan Yong

 

​

bottom of page