top of page

Toro-hevitra ara-pahasalamana hahasoa anao. Manasa anao hamaky ary hapihatra izay tandrify anao!

Mirary fahasalamana tanteraka ho anao!

Toro-hevitra ara-pahasalamana amin'ny teny Malagasy

FAHAPORETANA VOKATRY NY FIROTOROTOANA

Mety hisy fiantraikany mavesatra eo aminao sy ny vatanao ny firotorotoan'ny fiainana moderina. Ireto anefa misy fomba sasantsasany hiarovanao tena amin'ny fahaporetana be loatra.

Saika ny olana ara-pitsaboana rehetra manjo antsika amin'izao andro izao dia ny aretim-po, ny fiakaran'ny tosi-dra, ny aretim-bavony, ny aretin'ny tsinaibe, ny aretin'andoha, ny fahararian'ny lamosina, ny sohika, ny harerahan-tsaina be loatra. Eny fa na dia ny homamiadana aza - dia hita fa misy ifandraisany amin'ilay atao hoe : “stress”. Mety  hitaona aretina koa anefa ny  “stress” diso kely loatra ka mahatonga ny havizanana,  ny fahasorenana, ny tsy fitsaharan'ny saina sy ny tsy fahitan-tory, ny hasosorana ary ny saina torovana be loatra. Ny hahitana lalana eo afovoan'ireo tranga roa ireo izao no fihaikana manoloana antsika.

Misy famaritana tsotra sy mora azo ve entina ilazana ny «stress» ?

Mitranga amin'ny toe-javatra rehetra izay mitaky karazam-piovana sasantsasany ny «stress». Mety hiteraka fahafinaretana fatratra indrindra ny «stress» mitranga amin'ny toe-javatra vaovao sasany : fisidinana miaraka amin'ny elobe, fîdinana amin'ny fiaramanidina, fikorisana ambonin'ny ranomandry somary misolampy (ski), fandresena amin'ny fifaninanana fahazoana toerana ambony kokoa eo amin'ny asa. Mety tsy tena hitondra fahafinaretana lehibe tokoa ny «stress» sasany hafa saingy miteraka fahatsapana fahafaham-po mahery vaika kosa : takariva feno fientanam-po sy saina vokatry ny fitiavana, dera avy amin'ny mpiara-miasa iray, taratasim-panadinan'ny ankizy misy vokatra tsara. Misy «stress» sasany koa anefa mety handreraka antsika na dia tsara aza izany : fampakaram-bady na fìvoriam-pianakaviana.  Misy àry avy eo ireo «stress” mahatorovana sy mahakivy saina : fahaverezan'asa, olana ara-pitsarana sy lalàna, zanaka mpikomy, fisaraham-panambadiana ary fahafatesan'ny olon-tiana iray. Ny fahaizana mifanaraka amin'ireo «stress»-n'ny fiainana ireo no iantsoana ny fahasalamana. Raha izany àry, ny olona salama dia tsy maintsy mahita fomba tsy hirotoroana amin'ny alalan'ny fandanjalanjany ny «stress» mitranga eo amin'ny fiainany.

Miharatsy kokoa hatrany ve ny olana momba ny «stress» ?

Nitondra antsika teo amin'ny karazana fîkorontanam-po tsara ny fîrotoroton’ny fiainana môderina.  Mpahazo antsika mandrakariva ny tsy maintsy mandeha izao ankehitriny izao, ny mijery izao ankehitriny izao, ny mividy izao ankehitriny izao, ary ny maka tahafinaretana izao ankehitriny izao. Na izany na tsy izany, ambara amintsika fa tsy manana afa-tsy kisendrasendra (chance) iray monja isika eo amin'ny fiainana ka aleontsika mandrombaka izay rehetra azontsika rombahina.

Manomboka mahatsiaro ho torovana sy diso fanantenana anefa isika rehefa afaka taona vitsy nandrombahana, nahazoana, nandehanana, nijerena ary nividianana. Tonga miaraka amin'ny fahaporetana ny trosa, ny tsy fahalavorarian'ny fahasalamana, ny faharerahan-tsaina be loatra ary tsy fahitana maminy amin'ny fiainana intsony, ny «haloa rehefa kelikely» izay tsy azo ialàna. Fihodinan-javatra miverimberina izany ary lehilahy sy vehivavy maro manana fikasana tsara no efa voafandriny.

.

 
​
Dr. Alan Yong

 

​

bottom of page