top of page

Toro-hevitra ara-pahasalamana hahasoa anao. Manasa anao hamaky ary hapihatra izay tandrify anao!

Mirary fahasalamana tanteraka ho anao!

Toro-hevitra ara-pahasalamana amin'ny teny Malagasy

TORO HEVITRA VALO HANANANA FAHASALAMANA TSARA

1.      Ny fandinihana dia mampiseho hatrany fa misy tombon-tsoa mazava tsy isala-salana amin'ny fanarahana fomba fiaina ara-pahasalamana. Sady manan-tombon-tsoa amin'ny fananam-pahasalamana tsara no ela velona izay manaraka izany.

​

2.     Ny fanadihadiana Breslow dia manamarina fa misy akony eo amin'ny taham-pahavelomana ambony ny fiainam-piaraha-monin'ny olona iray. Taorian'ny fanadihadiana natao tamin'ny olona 7000 nandritra ny sivy taona, dia hita fa raha 100 no isan'ny olona sambatra maty, dia 157 kosa ny olona tsy sambatra maty.  Bellow, NB, Breslow, L. Preventive Médecine. 1:409-421.1972

 

3.     Ao anatin'ny fanadihadiana anankiray, ambaran'i Berkman sy Lyme fa ambany kokoa ny taham-pahafatesana eo amin'ireo izay manana fifandraisana ara-piaraha-monina betsaka kokoa tahaka ny :

a.     Fifandraisana amin'ny namana akaiky na havana

b.     Fidirana ho anisan'ny mambran'ny flangonana

d.     Fanambadiana

e.      Fidirana amin'ny fikambanana samihafa

Manome taham-pahafatesana indroa ka hatramin'ny intelo avo heny ny olona izay tsy manana fifandraisana firy raha ampitahaina amin'ireo izay manana betsaka an'izany eo amin'ny fiaraha-monina iainany.

​

4.     Toro hevitra valo hananana fahasalamana tsara :

​

a.     Matory adiny 7 ka hatramin'ny 8 isan'alina

b.     Tsy mihinan-kanina an'elanelam-potoana

d.     Fanazaran-tena ara-dalàna

e.      Fialana amin'ny alikaola     

f.      Misakafo maraina ara-dalàna

g.     Tsy mifoka sigara

h.     Fitazonana ny lanja ho ara-dalàna

i.      Fitokisana amin'ny herin'Andriamanitra

​

Hitan'i Breslow fa ny olona 60 taona iray izay nanaraka ireo toro hevitra fito voalohany dia manana ny tanjaka sy ny herin-tsaina ary ny fahavitrihan'ny olona 30 taona iray izay tsy nanaraka afa-tsy ny roa monja amin'ireo fanazarana ireo. Asehon'ireo fandinihana ihany koa fa zava-dehibe ho an'ny fahasalaman'ny vatana sy ny saina ary ny fanahy ihany koa ilay fltsipika fahavalo

.

 
​
Dr. Alan Yong

 

​

bottom of page