top of page

Toro-hevitra ara-pahasalamana hahasoa anao. Manasa anao hamaky ary hapihatra izay tandrify anao!

Mirary fahasalamana tanteraka ho anao!

Toro-hevitra ara-pahasalamana amin'ny teny Malagasy

HO FISOROHANA BEBE KOKOA NY ARETIM-PO
1.    Aretin'ny andrò moderina ny aretim-po. Nosoloin'ny fiara ny tongotra. Misólo ny hozatra ny masinina. Mitombo ny vola miditra ka tonga ny toe-piaina feno fan aran am-po. amin'ny zava-pisotro mahamamo. sigara. kafe. sakafo efa voahodina ... Soloin'ny sezabe malemilemy eo anoloan'ny fahitalavitra ihany koa ny fanatanjahan-tena. Mitombo ny dibera atao amin'ny mofo, ny krema amin'ny sakafo maraina, ny atody ao anaty karaza-mofo, ny hena sy ny tavin-javatra ao anaty lapoaly fanendasana ary ny vatomamy mandritra ny andrò.
2.    Mampiakatra ny tosi-drantsika ireo zavatra voatanisa eo ambony ireo sy ny antony hafa sasany tsy fantatsika koa aza, ary mameno ny lalandra avy amin'ny fo amin'ny «cholestérol». sy ny ra amin'ny tavin-javatra mifangaro tsy mahasalama. Mbola tanora kokoa ny olona dia efa misy fihetsehan'aretim-po, ary amin'ny taona mbola kelikely lavitra noho ny azy ireo fahiny ny zanany dia efa mihamafy lalan-dra avy amin'ny fo sahady.
3.    Rehefa mihatery na mikatona ny lalan-dra mpitondra ny ra sy ôksizena mankany amin'ny fo dia izay no antony voalohany mahatonga ny fihetsehan’aretim-po. Raha any amin'ny ati-doha no mitranga io fahaterena na fikatonana io dia izay no fantatra amin'ilay hoe AVC (Accident Vasculaire Cérébral).
4.    Mifandray amin'ireto antony maniraka ¡reto ny fihetsehan'ny aretim-po : (tsy misy azo ialana ireo telo voalohany)
a.    Taona - ny 40 taona no ho miakatra tandremo
b.    Mora voany kokoa ny lehilahy noho ny vehivavy
d.    Razambe, mety ho efa ao anatin'ny ran'ny fianakaviana
e.    Sakafo be tavin-javatra mandry sy «cholestérol» - Be loatra ny tavin-javatra mandry ao anatin'ny hena matavy, tavin-kisoa, dibera ary ronono matavy. Be «cholestérol» ny tamenak'atody, ny taovan-kena (tahaka ny atin-kena sy ny voan-kena) ary ny makamba. Mety hampitombo ny mety hahazoana aretim-po ireo karazan-tsakafo ireo.
f.    Tsy fahampian'ny fanazaran-tena - hozatra ny fo ka hahatonga azy hatanjaka kokoa ny fanazaran-tena, hampitosaka ra betsaka kokoa izy amin'izany nefa tsy mila midobodoboka firy.
g.    Fifohana sigara - atsaharo izany ho an'ny fahasalaman'ny fonao. Mahatonga ny lalan-dran'ny fo ho tery izany ka farany hiteraka aretim-po.
h.    Hatavezana mihoa-pampana - miseho kokoa eo amin'ireo olona manana hatavezana be loatra ny aretim-po. Mijere amin'ny fitaratra raha misy ny fisalasalanao amin'ny lanjanao.
i.    Fihinanana siramamy be loatra - mihoatran'ny 34 sotrokely isan'olona isan'andro ny siramamy no lanintsika ankehitriny. Mitovy amin'ny lasakan-tsiramamy milanja 45.35 kg eo ho eo isan-taona izany.
j. Tsy fanaovana fitiliana ara-pitsaboana ara-dalàna - Ho voatilin'ny mpitsabo mialoha izay mety ho aretina, ary ho voatsabo mialoha izay mety hiteraka aretim-po, fahatapahan'ny lalan-dra ary fikorontanana hafa mifandray amin'izany.
5.    Tsy tara loatra na oviana ny manomboka fomba fiaina vaovao sy tsaratsara kokoa, saingy efa mety ho tara loatra ihany koa rehefa heverina ny tsy misy azo atao intsony. Mihoatra ny iray tapitrisa ny fihetsehan'aretim-po isan-taona ary olona maherin'ny 600.000 isan-taona no maty amin'izany ka maro amin'izy ireo no tena mbola tanora dia tanora tokoa.


 
​
Dr. Alan Yong

 

​

bottom of page