top of page

Toro-hevitra ara-pahasalamana hahasoa anao. Manasa anao hamaky ary hapihatra izay tandrify anao!

Mirary fahasalamana tanteraka ho anao!

Toro-hevitra ara-pahasalamana amin'ny teny Malagasy

NY TORIMASO

1.      Endriky ny fialan-tsasatra iray fantatra indrindra ny torimaso ary mihoatra noho ny elanelam-potoana eo amin'ny andro iray sy ny manaraka izany.

​

2.     Fitsaboana misoroka ny torimaso. Vokarina amin'ny fatra betsaka dia betsaka mandritra ny torimaso ireo karazan-javatra miaro ao amin'ny tenanao, izay manampy miaro amin'ny aretina tahaka ny tsokan-taolana sy ny ranon-javatra ao amin'ny ra.

 

3.     Manomana anao ho amin'ireo fihetsiketsehan'ny andro vaovao ny torimaso, saingy voaomana ho amin'ny torimaso ve ianao ?

 

4.     Antony vitsivitsy mahatonga ny havizanana : ny aretina, ny asa mafy, ny hakiviana ary ny hasorenana.

 

5.     Misy karazany roa ny havizanana:

a. Ny havizanana avy amin'ny asa mafy na asa vatana mafy - mahatonga ny vatana hitambotsotra resin-tory mora dia mora tokoa.

b. Ny havizanana avy amin'ny asa saina mafy loatra. Mahatonga ny vatana ho henjana sy mikainkona. Mahasarotra ny fahitana torimaso.

 

6.     Toro hevitra handresena ny havizanana

a. Fanazaran-tena - fanoitra tsara indrindra hanoherana ny havizanana.

        b. Fampidirana sy famoahan-drivotra matetika dia matetika tokoa -fampitoniana voa-janahary tokoa, misy mandrakariva ary azo antoka mandrakariva.

d. Fandroana amin'ny rano mafana - mampitsotra ny hoza-batana.

e. Fanorana - balisama manasitrana ho an'ny hozatra mihenjana.

f. Mozika mampitony sy manala voly.

g. Fandehandehanana eny amin'ny zava-boary - makà fahafinaretana eny amin'ny toerana ankalamanjana milamina sy mangina.

 

7. «Ary hoy Jcsosy taminy : Avia hianareo hitokana any an-tany foana, ka mialà sasatra kelikely» Mar. 63 : 1.

​
Dr. Alan Yong

 

​

bottom of page