top of page

Toro-hevitra ara-pahasalamana hahasoa anao. Manasa anao hamaky ary hapihatra izay tandrify anao!

Mirary fahasalamana tanteraka ho anao!

Toro-hevitra ara-pahasalamana amin'ny teny Malagasy

TOSI-DRA AMBONY EO AMIN'NY ANKIZY

1.      Misy tosi-dra avokoa ny olona tsirairay. Tsy afaka mikoriana amin'ny tenantsika ny ra raha misy izany.

 

2.     Miovaova isan'andro ny tosi-dra ary miovaova mandritra ny andro. Miakatra izy mandritra ny fihetsiketsehan'ny vatana na rehefa faly isika,  ary midina kosa rehefa miala sasatra isika.

 

3.     Eo amin'ny zaza miakatra arakaraka ny fitombon'ny vatana ny tosi-dra.

 

4.     Mety hanana tosi-dra avo na dia ny zaza menavava aza : mety ho avy amin'ny aretina hafa toy ny aretin'ny fo na ny voa izany. Fantatra amin'ny hoe «hypertension secondaire» izany. Miverina amin'ny ara-dalàna ny tosi-dra rehefa voatsabo ny aretina.

 

5.     Mampiakatra ny tosi-dra ny fanafody sasany ary miverina amin'ny ara-dalàna izany rehefa mijanona ny fanafody.

 

6.     Hita eo amin'ny ankizy sasantsasany ny tosi-dra avo saingy tsy fantatra ny antony. «Hypertension primaire» no iantsoana ny mahazo ireo ankizy ireo.

 

7.     Mitarika ho amin'ny fiakaran'ny tosi-dra eo amin'ny ankizy ireto antony manaraka ireto:

a.     Tandindomin-doza kokoa ny ankizy manana lanja mihoatra amin'ny tokony ho izy, na ny ankizy avy amin'ny fianakaviana manana tosi-dra avo.

b.     Ny ankizy mifoka sigara

d.     Sira be loatra amin'ny sakafo, indrindra fa ny hita ao amin'ireo haninkanina anelanelam-potoana.

e.      Tsy fahampian'ny fanetsiketseham-batana indrindra ho an'ireo ankizy

manana lanja mihoatra ny antonony.

 

8.     Tsarovy fa zava-dehibe ny manaja ireo fotoana rehetra omen'ny mpitsabo sy manaraka ara-dalàna tsara ny fanomezana fanafody ny zanakao.

​
Dr. Alan Yong

 

​

bottom of page