top of page

Toro-hevitra ara-pahasalamana hahasoa anao. Manasa anao hamaky ary hapihatra izay tandrify anao!

Mirary fahasalamana tanteraka ho anao!

Toro-hevitra ara-pahasalamana amin'ny teny Malagasy

AHOANA NO HISOROHANA BEBE KOKOA NY HOMAMIADANA

 

​

1.    Teny mampatahotra sy mampihorohoro ny fon'ny olona voany ny homamiadana. Karavasin'ny andro môderina izany any Amerika. Aoka tsy ho kivy anefa fa misy ny vaovao mahafaly mikasika ny homamiadana.
2.    80 isan-jaton'ny homamiadana no heverina ankehitriny fa azo sorohina, ary antony roa no mety hanazava ny 90 isan-jaton'ny mety ho azo sorohina. Tsy inona izany fa ny fialana tanteraka amin'ny flfohana sigara ary ny fanarahana fomba fisakafoana ara-pahasalamana.
3.    Indreto misy zava-dehibe telo eo amin'ny lafiny fisakafoana izay hanampy betsaka eo amin'ny fisorohana azo atao :
a. Fampihenana ny menaka avy amin'ny biby - mpamorona voalohany indrindra ny homamiadan'ny tsinaibe, ny nono ary ny prôstaty ny sakafo be tavin-javatra.

Fampihenana   ny   lanjan'ny  vatana -  mampitombo  ny mety hahavoazan'ny homamiadan'ny nono sy ny voa eo amin'ny vehivavy ny hatavezana mihoa-pampana. Impolo avo henin'ny mety hahazoana ny homamiadan'ny tranon-jaza ny manjo ny vehivavy iray manana lanja ara-dalàna mihoatra ny 22.67 kg.

 

Mora voan'ny diabeta ihany koa ny olona manana hatavezana mihoa-pampana. Sakafo be «fibre» na zava-maniry be tsiratsirany - Voaporofo fa imbalo ka hatramin'ny indimy ambin'ny folo avo heny ny taham-pisian'ny homamiadan'ny tsinaibe any Etazonia noho ny any amin'ireo firenena misy mponina mivelona amin'ny sakafo tsy nandalo fanodinana firy teny amin'ny orin'asa. Mandritra ny 30 ora no andalovan'ny sakafo ao anaty tsinay raha tsy nandalo izany fanodinana izany izy, ary 77 ora kosa ny an'ireo sakafo nandalo tamin'izany. Tsy hita firy eo amin'ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito ny homamiadan'ny tsinaibe raha oharina amin'ny mponina an-kapobeny, noho ny fomba fisakafoany tsy misy betsaka izany sakafo efa voahodina izany.
4.    Fisorohana manaraka : fitiliana mialoha ny aretina amin'ny alalan'ny fitaovana fitarafana. Azo esorina amin'ny alalan'ny fandidiana ny homamiadana voatily mialoha.
5.    Tsarovy fa ny 80 isan-jaton'ny homamiadana no azo sorohana ny mety hahazoana azy noho iretsy zavatra efa fantatsika iretsy ! Tokony hiala amin'ny fifohana sigara isika, sy hanatsara ny fomba fisakafoana (izany hoe : ny voan-java- maniry rehetra azo hohanina dia atao betsaka kokoa fa ahena kosa ny hena, ny ronono matavy, ny tamenak'atody, ny dibera, ny kirema ary ny frômazy). Ary ezaho tsy hihoatra amin'ny tokony ho izy ny lanjanao. Tokony hatao ihany koa ny fitiliana isan-taona ny fivalanana sy ny ra ary ny fitiliana ny nono isam-bolana.


 

bottom of page